A cause de la sècheresse dans la partie Sud de Madagascar, l’accès à l’eau s’avère difficile dans nombreuses villes et villages, comme le cas d’Ambovombe, la capitale de la région Androy. À cause de la situation, « le travail d’eau » ou « les chercheurs d’eau » sont très importants pour l’ensemble des ménages à Ambovombe. Izintsoa est un jeune homme dans les vingtaines d’année, il fait ce travail avec ses barils bleu sur sa charrette en bois tiré par deux bœufs. Il parcourt une heure de voyage en aller et une heure de voyage en retour pour chercher de l’eau à un puit, où il achète de l’eau pour ensuite le revendre.
Jocelyn, un père de famille à Ambovombe, fait partie des dizaines de ménages clients d’Izintsoa. Jocelyn se fait livrer 240 litres jusqu’à 480 litres d’eau par semaine, selon la consommation de son foyer, qu’il paye mensuellement en tant qu’abonnée d’Izintsoa. L’économie de la consommation en eau est appliquée par chaque ménage en raison des prix de l’eau en une partie mais surtout à cause de la difficulté d’en trouver lors des saisons sèches. Dès fois, ces travailleurs d’eau n’arrivent vraiment pas à en trouver et les ménages sont obligés d’acheter de l’eau légèrement salé dans les bassins de la ville s’il y en a aussi.
Vokatry ny hain-tany mahazo ny faritra Atsimon’i Madagasikara iny dia manano sarotra ny fahazoana rano amin’ny faritra maro, ary tafiditra anatin’izany ny tananan’Ambovombe, renivohitry ny faritra Androy. Asa manan-danja ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano araka izany ny mpantsaka rano, na ny antsoina mihitsy hoe « mpiasa rano ». Tovolahy vao 20 taona i Izintsoa, miaraka amin’ny barika mangabe roa eo ambony sarety hazo taritin’omby izy, no manao io asa io efa aman-taonany. Mandeha eo amin’ny lalana adiny iray eo mandroso, adiny iray miverina izy maka ny rano : vidiany amina tompona vovon-drano. Â
Anisann’ny tokantrano mpanjifa rano amin’i Izintsoai Jocelyn, raim-pianakaviana iray ao Ambovombe ao. Mahatratra 240 litatra hatramin’ny 480 litatra ny rano jifainy isan-kerinandro amin’ny fandaniana ao an-tokatranony : alohany isam-bolana amin’i Izintsoa. Iainan’ny tokatrano tsirairay any an-toerana ny fitsitsiana rano noho ny vidiny fa indrindra nohony mahasarotra azy amin’ny fotoanan’ny maintany. Misy fotoana manko tena tsy misy io rano mamy alain’ny mpaka rano io dia voatery mividy rano matsaboka avy amin’ny vovo amin’ny bassin eo an-tanana, raha misy ihany koa.