Les fleurs séchées, tendances bohèmes et naturelles, tiennent une grande place dans les décorations événementielles ces derniers temps. Derrière ces jolies fleurs se cachent des travaux de séchage, de coloration, d'imagination et de créativité, explique Mme Lydia, fleuriste à Anosy.
Par ailleurs, selon RANDRIAMBOLOLONA Maria Andrianina, gérante d’une petite entreprise spécialisée en décoration évènementielle, rendre festif et unique un événement nécessite un travail d'équipe, de recherches et de nouvelles idées pour satisfaire et répondre aux attentes des clients. Composée de 10 personnes, son équipe trouve ainsi des idées innovantes grâce à ses recherches personnelles sur les réseaux sociaux et en répondant aux demandes de leurs clients.
Misy asa vitsivitsy takiana vao mahatafavoaka ireny voninkazo nohamainina fampiasa amin’ny fanaingona fiara na toerana hanaovana lanonana ireny, hoy ny fanazavan’i Madame Lydia, mpanamboatra sy mpivarotra voninkazo etsy Anosy. Miainga amin’ny fisafidianana ny voninkazo azo hampiasaina, ny fanamainana, ny fandokona ary ny fanambarana azy no ahazoana fehezam-boninkazo tsara tarehy.
Ankoatra izay, araka ny nambaran’i Randriambololona Maria Andrianina, mpandraharaha iray miantsehatra amin’ny asa fanaingona lanonana, dia mitaky fiaraha-miasa, fikarohana ary famoronana vaovao ny fanaingona lanonana iray mba hanomezana fahafaham-po an’ireo mpanjifa mametraka fitokisana amin’izy ireo. Anisan’ny hahazoan’izy ireo hevitra vaovao izao ohatra ny fikarohana ataony amin’ny tambajotra-tserasera samihafa na ihany koa ny fangatahana miavaka kely hoentin’ireo tompona lanonana.