Non, ce n'est pas vrai. C'est une arnaque.
Il y a quelques semaines, une publication sur un recrutement du PAM CANADA pour cette année 2023 s’est répandue sur les  réseaux sociaux. Â
La page Facebook  qui le publie se nomme Programme Pam CANADA. Elle utilise un logo officiel du PAM et de nombreux emplois y sont cités. Le baccalauréat est le diplôme requis. C’est ce qui attire les chercheurs d’emplois.
Cependant, la seule manière de candidater au PAM se fait sur le site  www.wfp.org/careers.
L’arnaque dirige les candidats à envoyer leur demande et les CV par email.
Pourtant, sur le site officiel, la pratique consiste à remplir un formulaire en ligne.
C’est aussi une arnaque car l’annonce utilise un cachet de couleur rouge. Pourtant, seul le gouvernement peut utiliser ce type de cachet.
Enfin, lors de l'envoi des dossiers, des frais d'environ 200 à 300 dollars sont démandés. Le  PAM a fait savoir qu’il ne demandera jamais d’effectuer le moindre paiement lors de son processus de recrutement.
On retrouve aussi ce genre d’arnaque dans d’autres organismes. Il faut donc savoir distinguer le vrai du faux.
Marina ve ilay tololotrasan’ny vondron’ny firenena mikambana misahana ny sakafo na PAM any CANADA iny ?
Tsia, tsy marina iny ary fisolokiana.
Herinandro vitsivitsy izay no niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy fa mampiditra mpiasa vondron’ny firenena mikambana momba ny sakafo na PAM CANADA amin’ity taona 2023 ity.
Ilay pejy facebook Programme PAM CANADA no mamoaka azy io. Misy logo an’ny PAM ary karazana asa maro no ao anatiny. Baccalauréat no diploma takiana ao. Mahasarika ny maro izany.
Tranokala tokana ihany no ahitana ny tolotrasan’ny PAM. Dia ny  www.wfp.org/careers.
Hita ao anatin’ilay tolotra asa sandoka mantsy hoe alefa mailaka ny taratasy fangatahana asa sy ny CV. Kanefa ny tena fanao ao anatin’ny tranokala ofisialy, dia mameno taratasy sy mamaly fanontaniana maromaro anjotra.
Sandoka ihany koa izy ity satria mampiasa tombokase mena anatin’ilay taratasy fampahafantarana. Ny fanjakana ihany anefa no afaka mampiasa ity tombokase ity.
Farany, rehefa mandefa ny fangatahana dia misy sarany manodidina ny 200 hatramin’ny 300 Dollars eo. Milaza anefa ny PAM fa tsy misy vola aloa izany rehefa mandefa taratasy fangatahana asa ao amin’izy ireo.
Tsy ny PAM irery ihany moa no ahitana fisolokiana toy izao. Mila fantarina tsara araka izany hoe iza no tena izy.