Arivonimamo est la capitale de la soie dans la région d'Analamanga. Cette localité a conservé un savoir-faire légendaire pour faire un bon tissu en soie. D’après Rasoanirainy Alice, propriétaire de la maison de la soie locale, il faut cuire les cocons pendant des jours, être méticuleux dans le traitement du fil, utiliser des colorants naturels. Il faut une main douce et une attitude zen pendant le tissage, dit-elle. Selon Alice, le « lambalandy » (tissu de soie) est un patrimoine à protégé face à la mondialisation.
Le marché de la friperie a augmenté de de 10 % au cours des 5 dernières années à Madagascar. Les prix sont à la portée de tous et les tissus sont généralement de bonne qualité, a déclaré Rakotomalala James, vendeur. Cette situation crée de nombreux emplois, surtout pour les jeunes en quête de stabilité financière. Toutefois, il précise que ce métier n'est pas pour les paresseux. Les vendeurs doivent être à la pointe de la tendance et connaître les besoins du client. Suivez les détails dans l’émission #KSK
Arivonimamo no renivohitry ny lamba landy eto amin’ny faritra Analamanga. Maro ireo dingana atao raha te ahazo lamba tsara avy amin’io akora io. Ao ny fandrahoana ny akora, ny fomba famoliana azy, ny tsy fampiasana akora simika ary ny fahaizana mikirakira ireo kofehy rehefa manenona. Vakoka tokony ho arovana izy io manoloana ny fanatontoloana hoy i Rasoanirainy Alice, tompon’ny « Rindran-dandy », trano famokarana lamba landy iray ao an-toerana. Tsy tsara kosa raha olona be korontana no manenona ny lamba landy raha ny fanazavany.
Asa manodidina ny lamba hatrany : Nitombo 10% ny tsenan’ny lamba friperie teto amintsika tato anatin’ny 5 taona. Manala olana ny maro izy io satria sady mora no mateza hoy i Rakotomalala James, mpivarotra. Maro koa ireo asa aterany hoy izy, ary ireo tanora no tena misehatra aminy. Tsy ho an’ny kamo anefa io asa io satria mila maharaka lamaody sy mahalala ny filan’ny mpanjifa, izay tsy mitsaha-mivoatra, ireo mpivarotra. Ny andinindininy, arahinao ao amin’ny fandaharana #KSK