COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEmploi & initiatives / Ketrika sy Kandra

©Studio Sifaka
Le déchet électronique vient des appareils électroniques.

Ketrika sy Kandra du 03 février 2020

Le déchet électronique vient des objets électroniques tels que les téléphones portables ou les appareils électroménagers. Vohitra Environnement est l’une des premières entreprises à récolter et à transformer ces déchets. Elle arrive à en récolter jusqu’à 3 conteneurs en 1 an selon les explications de sa fondatrice, Rasamimanana Fara.

Le traitement des déchets électroniques exige beaucoup de précautions, surtout pour les petits éléments qui composent les appareils électroniques. Au fil du temps, ces derniers peuvent émettre du gaz. Pourtant, grâce à la technologie, nous pouvons limiter les effets des déchets électroniques sur la santé et sur l’environnement.

La gestion des déchets électroniques est tout un métier et Il peut se développer si on le maîtrise.



Samihafa amin’ny fako plastika izay efa mahazatra antsika ny fako elektronika. Io farany io dia avy amin’ny fitaovana rehetra mandeha amin’ny herinaratra ka efa tsy ilaina intsony. Ohatra hoe pile, radio, finday na solosaina.

Eto amintsika dia ny orinasa « Vohitra Environnement » no anisany voalohany manangona sy mikarakara ny fako elektronika. Mahangona fako eo amin’ny 3 kaontenera eo izy ireo anatin’ny taona iray, araka ny fanazavan’i Rasamimanana Fara, mpanorina ny orinasa.

Mila fitandremana be ny fikirakirana ny fako eletronika, indrindra ireo karazana akora kely be dia be ao anatiny. Mamoaka entona mantsy izy ireny rehefa ela ny ela, mety hoe tsy hita maso na tsy tsapa fa miparitaka amin’ny rivotra. Noho ny fivoaran’ny teknolojia anefa dia efa azo ferana ny fiatraikan’ny fako eletronika na eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona na eo amin’ny tontolo iainana. 

Asa manokana mihitsy ny fitantanana ny fako elektronika, ary afaka hiroborobo tsara, raha tena ianarana sy fehezina araky ny tokony ho izy.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter