COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEnvironnement / hiakan’ny tontolo

©Krafteo
L’entreprise Krafteo a pour objectif de développer un processus de fabrication entièrement zéro déchet.

Parlons de la génération future et de leurs droits

Reportage

Krafteo est une entreprise créée en 2021 œuvrant dans la fabrication d’emballages en papier kraft de façon artisanale. Ils prônent t le 100% vita Malagasy, dont les produits sont non toxiques, et écologiques.

Objectif : développer un processus de fabrication entièrement zéro déchet. Ils sont actuellement à 60% de leur objectif.

La liberté d'entreprendre fait partie des libertés publiques consacrée par la Constitution malgache. En effet, le citoyen est libre d’exercer une activité dans un but lucratif, tant que celle-ci est en accord avec les lois en vigueur. Force est de constater que les initiatives entrepreneuriales actuelles accordent une grande importance à la conservation de l’environnement. Comment concilier liberté d’entreprendre, richesse économique et protection de l’environnement ? La réponse de Patrick Randriamisata, un économiste, et responsable de la recherche et du suivi au sein de l’association MSISTATAO.

INTERVIEW

Le concept de développement durable est apparu dans les années 80. C’est un modèle de développement qui est amené à répondre aux besoins des générations présentes, ainsi qu'à ceux des générations futures. Ces dernières ont le droit de vivre dans un environnement sain loin de toute pollution, a déclaré la présidente de Let's Do it Madagascar, mais également celle de l’association « Diversity », Ornella Assimini.

Mais qui sont exactement les générations futures dont il est question ici, et quels sont leurs droits ? C'est à ces questions que nous tenterons de répondre dans l'émission Hiakan’ny Tontolo.

DIY

Saviez-vous que le sachet en plastique, servant de contenant aux jeunes plants peut être recyclé et donc réutilisé ?

C’est ce que va nous expliquer la cheffe de cantonment d’Ambohidratrimo, Tokiniaina Natalie Raharijaona.

Studio Sifaka · 2022-02-23 Fandaharana HIAKAN'NY TONTOLO - GENERATIONS FUTURES

Reportage

Niforona tamin’ny taona 2021 ny orinasa malagasy Krafteo izay manamboatra fonosana amin'ny alalan’ny taratasy kraft. Mamokatra asa tanana Vita Malagasy 100 %, tsy misy akora simika, ary ekolojika ihany izy ireo.

Tanjon’ity orinasa ity ny tsy hanary fako mihitsy ao anatin’ny asa famokarana izay ataony. Efa nihena 60 % ny fakon’izy ireo hatreto, hoy ny tompon’andraikitry ny famokarana ao amin’ny Krafteo, Rakotoarivelo Jo’han. Manana anjara toerana lehibe ihany koa ny zavakanto na “art” amin’ny asa tanana vokarin’izy ireo hoy ny  mpamorona ny orinasa Krafteo, NARY'SON Mihamintsoa Valérie.

Zo fototry ny olom-pirenena ny fahalalahana mandraharaha. Izany hoe afaka manantanteraka fitadiavambola malalaka ny tsirairay, rehefa tsy mifanohitra amin’ny lalàna misy. Azo atao ve ny mampifanaraka ny fananganana orinasa amin’ny fitandroana ny tontolo iainana ?

Manazava ny mpahay toe-karena sy tompon’andraikitry ny fanadihadihana sy ny fanaraha- maso ao amin’ny MSISTATAO, Randriamisata Patrick.

INTERVIEW

Tany amin’ny taona 80 tany, no nampiasaina voalohany ny teny hoe fandrosoana lovainjafy na « développement durable ». Ny atao hoe fandrosoana lovainjafy, dia izay fandrosoana afaka mamaly ny filan’ny mponina ankehitriny, sy mitsinjo ny filan’ireo taranaka ho avy ihany koa.

Manana zo hisitraka tontolo iainana salama ireo taranaka ho avy, hoy ny filohan’ny “Let s Do it Madagascar”, sy filohan’ny fikambanana “Diversity” ihany koa, Assimini Ornella.

Fa iza tokoa ireo taranaka ho avy lazaina eto, ary inona ny zony ? Izay no hiezahana faritana sy resadresahana ato amin’ny fandaharana Hiakan’ny tontolo.

DIY

Rehefa ianao ilay avy namboly azo iny, fantatrao ve fa afaka ahodina ka verenana hampiasaina indray ilay fonosana plastika kely misy ilay zanakazo iny ? Hanoro antsika an’izay ny lehiben'ny cantonment Ambohidratrimo, Raharijaona Tokiniaina Natalie.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter