Teny faheno amin’ny andavanandro izany hoe « hidiranangano » izany. Zava-doza, zavatra ratsy mitranga eo amin’ny fiainana,tsy nampoizina, loza mitranga eny amin’ny fiaraha-monina, toy ireo ny fahafantaran’ny olona izany « hidiranangano » izany. Misy heviny maro io teny io hoy Ramatoa Ratsirahonana Harilalao, mpampianatra malagasy. Ny hoe « angano » midika fa misy heviny ratsy ilay tranga iray na zavatra sarotra inoana na zavatra tsy fahita.