A une semaine de la tenue du premier examen officiel qu’est le CEPE, la Ministre de l’Education nationale, Dr Marie Michelle Sahondrarimalala, explique que les sujets ont été élaborés suite à une concertation entre les directions régionales de l’éducation nationales et les écoles qui s’y trouvent. Ce sont également les directions régionales qui ont proposé les dates des examens officiels. Concernant les mesures sanitaires pour le déroulement des épreuves, la Ministre indique que, pour les districts où il n’y a plus de cas de coronavirus, les élèves peuvent se passer de masque mais la décision finale revient aux responsables des régions.
Herinandro sisa dia higadona ny fanadinam-panjakana voalohany. Manazava ny ministry ny fanabeazam-pirenena, Dr Marie Michelle Sahondrarimalala, fa ireo fitaleavam-paritry ny fanabeazana no nanome ireo daty hanaovana ny fanadinana. Tamin’ny alalan’ny fampitahana ireo fandaharam-pianarana vitan’ireo sekoly any an-toerana kosa no nandrafetana ireo laza adina. Mikasika ny fepetra ara-pahasalamana, manazava ny minisitra fa afaka tsy manao aro-vava ireo ankizy manao fanadinana any amin’ireo district tsy ahitana ny coronavirus. Na izany aza, an’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ihany ny fanapahan-kevitra farany momba izany.