Pour diffuser un film dans les salles de cinéma, ces dernières doivent établir un contrat avec les maisons de production ou les distributeurs des films. Parmi les clauses figure l’engagement des responsables des salles de cinéma à protéger les œuvres de la maison de production contre toute forme de piratage. Il est aussi de leur devoir de signaler la diffusion par les chaînes télévisées des films encore en avant-première dans les salles de cinéma. Journaliste mais également connaisseur dans ce domaine, Jerry Edouard, explique que, pour diffuser un film, les salles de cinéma doivent payer des droits.
Misy ny fepetra arahin’ireo trano fandefasana horonantsary na « salle de cinéma » raha toa ka maniry handefa horonantsary vahiny izy ireo. Misy noho izany fifanarahana eo amin’izy ireo sy ny tompon’andraikitry ny tranom-pamokarana an’ilay horonantsary. Voarakitra ao anatin’izany fifanarahana izany ny tsy maintsy hiarovan’ireo tompon’andraikitry ny trano fandefasana ny horonantsary ny zon’ireo tranom-pamokarana toy ny fanenjehana ny fandefasan’ireo fahitalavitra ny horonatsary izay mbola « en avant-première » any amin’ny trano fandefasana izany. Eo ihany koa ny fanenjehana izay mety ho hosoka. Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony handefa horonantsary amin’ny fahitalavitra na any anaty « salle de cinéma » raha tsy nahazoana alalana manokana avy amin’ny tranom-pamokarana.