Les Barea affrontent ce soir le Burkina Faso, lors un match amical au Maroc, en vue des préparations à la CAN. La sélection pour ce match n’est composée que de joueurs expatriés. Précisons qu’un joueur expatrié est un sportif né à Madagascar qui a évolué à l’étranger. Cependant, sans être né sur le sol malgache, un joueur expatrié peut également prouver ses origines malgaches par filiation, par exemple. Mirado Rakotoharimalala, Secrétaire général de l’Orange proleague explique les conditions pour avoir la nationalité malgache afin de représenter Madagascar lors des championnats internationaux.
Anio hariva ny lalao ara-pirahalahiana farany ataon’ny Barea. Hifanandrina amin’ny Burkina Faso any Maroc izy ireo amin’ny 7 ora alina, ora aty Madagasikara. Mikasika ny firafitry ny ekipa kosa dia mpilalao mila ravinahitra any ivelany avokoa izy ireo. Misy ny teraka teto Madagasikara ary misy kosa ireo tsy teraka teto. Ho an’ireo tsy teraka teto Madagasikara dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy izy ireo vao mahazo milalao ao anatin’ny ekipam-pirenena. Manazava ny fepetra hahafahan’ireo mpilalao any ivelany tsy teraka teto Madagasikara miaro ny voninahim-pirenena i Rakotoharimalala Mirado, Sekretera jeneralin’ny Orange Proleague.