Depuis quelque temps maintenant, les réseaux sociaux sont inondés de publications et de photo liées à l’affaire « Maman’i Iavotiana ». Rappel des faits. Cette mère de famille aurait falsifié les dossiers médicaux de sa fille prétendant qu’elle est atteinte de la tétralogie de Fallot, pour bénéficier de d’aides et de dons. Information qui s’est avérée inexacte après enquête. Cette mère de famille risquerait donc la prison. La question qui se pose est, qu’adviendra-t-il de son enfant en cas de peine d’emprisonnement de la mère ? 3 choix se présentent : l’enfant sera confié à la famille proche, à un centre ou alors il sera avec sa mère en prison. Maître Rindra Rakotonaivo, avocat au barreau de Madagascar et membre du pool des avocats pour la protection des femmes et des enfants mineurs, apporte plus d’explications à cela dans Questions à .
Nalaza tato ato ny raharaha mahakasika an’i « maman’i Iavotiana ». Saika miresaka mahakasika izay trangana fisolokiana izay avokoa ny haino aman-jery rehetra indrindra moa fa ny tambajotra-tserasera Facebook. Raha tsiahivina dia nilaza ity renim-pianakaviana ity fa voan’ny ilay aretina atao hoe tétralogie de Fallot ny zanany ka nangataka fanampiana tamin’izay rehetra malala-tanana. Rehefa nataon'ny zandary anefa ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy voan’izay aretina izay akory ilay zanany. Mety hiditra am-ponja noho izany izy. Ny fanontaniana anisan’ny napetraky ny maro dia ny hoe : mankaiza tokoa moa izany ny zaza iray raha miditra am-ponja ny ray aman-dreniny ? Tranga telo no mety hiseho : na ilay zaza ankinina amin’ny fianakaviany, na raisina fikambanana an-tanana, na ihany koa miaraka amin’ny reniny any am-ponja. Hitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika izay i Rakotonaivo Rindra, mpisolo vavy sady mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mpisolo vava ho an’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona.