Actuellement, cinq femmes enceintes se trouvent à la prison d’Antanimora. La prison est équipée d’une infirmerie où il y a des médecins et des infirmières qui suivent l’état des femmes enceintes en prison. L’ONG Sentinelle prend en charge l’alimentation et la nutrition de ces femmes et de leurs bébés. Certes, elles sont logées dans un quartier spécial mais certaines conditions ne sont pas respectées pour ces femmes à cause du manque de logistique dans la prison selon Andriamaholy Rojoniaina, Commissaire aux Droits de l’Homme.
Miisa dimy ireo vehivavy mitondra vohoka ankehitriny any am-ponjan’Antanimora. Misy toeram-pitsaboana ao am-ponja ary misy dokotera sy mpitsabo mpanampy manara-maso ireo vehivavy bevohoka sy ny zaza vao teraka. Ny ONG Sentinelle kosa ny misahana ny fanomezana ny sakafo ara-pahasalamana azy ireo. Mipetraka amin’ny toerana voatokana ireo vehivavy bevohoka sy vehivavy mitaiza kely. Misy amin’ireo fepetra tokony harahin’izy ireo anefa tsy voahaja noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana hoy i Andriamaholy Rojoniaina, Commissaire aux Droit de l’Homme.