Tsy azo hatao intsony nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny mitatitra entana mavesatra mihoatra ny fenitra apetraky ny fanjakana amin’ny taksibrosy rezionaly sy nasionaly. Efa misy ireo fiara manokana natokana ho an’izany tahaka ny fourgon sy ny fiara vaventy. Isan’ny anton’izany ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Manazava ny antony hafa nametrahana io fepetra io ny Tale jeneraly ny Antokon-drahararaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny jeneraly Reribake Jeannot.
Depuis le weekend dernier, les taxis brousses ne peuvent plus transporter des marchandises trop « lourdes ». Il s’agit là des motos, des quads, des matériels de constructions, etc… afin d’éviter les accidents. Le Directeur Général de l’agence des transports terrestres, le Général Jeannot Reribake souligne que des véhicules spéciaux pour les transports de marchandises sont là pour cela.