Afaka mangataka famatsiam-bola amin’ny ratsamangaikan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ireo tantsaha maniry ny ahazo izany. Tsy maintsy fiofanana na fotodrafitr’asa na fitaovana hanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana anefa no angatahina raha ny fanazavan’ny talen’ny tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ny fambolena sy ny fiompinana ary ny jono na ny FDA faritra Ihorombe, Hamed Moinjee. Ka ho an’ireo mikasa ny hanao izany, ilaina miaraka amin’ny taratasy fangatahina ny statut na sata ifampifehezan’ilay fikambanana tantsaha. Eo ihany koa ny isan’ny mpikambana ary ny mikasika izay zavatra angatahina. Ny 95 isan-jaton’ny vola no iatohan’ny FDA raha fiofahana ny angatahina ary 90 isan-jato kosa raha fitaovana na fotodrafitrasa. Tsy averina ireo vola ireo. Marihina fa maharitra 1 ka hatramin’ny 3 volana ny famaliana ny fangatahina.Â
Toute association d’agriculteurs et de paysans peut effectuer une demande de financements auprès du ministère de l'agriculture et de l'élevage. Cependant, de réels besoins en termes de formation, d’infrastructures et d'équipements sont nécessaires pour améliorer les secteurs de l'agriculture, de l'élevage et de la pêche, selon Hamed Moinjee, directeur du Fonds de développement agricole (FDA) de Ihorombe. Pour les associations d’agriculteurs intéressées, le statut ou les règles qui régissent la structure demanderesse sont requis avec le formulaire de demande. Le dossier doit également inclure le nombre des membres ainsi que les détails du projet. Le FDA assure 95% du montant si le projet concerne une formation sur l’agriculture, l’élevage ou la pêche. Côté équipements ou infrastructures, la subvention sera allouée à hauteur de 90%. Notez qu'il faut un à trois mois au ministère pour répondre à une demande.