Tsy diso anjara ireo voafonja ao Antanimora amin’izao ady amin’ny valan’aretina coronavirus izao. Nanomboka ny volana jona dia nisitraka ny vaksiny AstraZeneca izy ireo, izay natao ny alarobia 8 septambra teo ny fatra faharoa amin’izany. Raha miisa 3300 ireo voafonja, dia 173 monja no niroso tamin’ny fanaovana vaksiny, ka 103 ny lehilahy ary 70 kosa ny vehivavy. Nanambara ireo mpitsabo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana fa mbola kely io tarehimarika io raha oharina amin’ny isan’ny voafonja, satria tsy an-tery ny fanaovana ny vaksiny. Manamafy ihany koa izy ireo fa manaja ny zo sy ny safidin’ireo voafonja hatrany. Mitohy kosa ny fanentanana ary fantatra fa tsy ho ela dia hisitraka ny vaksiny Janssen ihany koa ireo voafonja ao Antanimora.
Dans le cadre de la lutte contre la covid-19, les détenus de la prison d’Antanimora n’ont pas été délaissés. Ils ont pu bénéficier des vaccins, comme tout le monde. L’injection de la première dose du Covishield d’AstraZeneca a été effectuée au mois de juin tandis que la deuxième a été faite le mercredi 8 septembre dernier. 173 sur les 3300 détenus recensés par l’Amnesty International, ont répondu présents, dont 103 hommes et 70 femmes. L’un des responsables avance que c’est peu par rapport au nombre total de détenus, car se faire vacciner reste un choix et non une obligation, même en prison. Néanmoins, ces mêmes responsables précisent que la sensibilisation auprès de ces détenus continue. Le vaccin Janssen, quant à lui, sera bientôt disponible pour les détenus de la prison d’Antanimora, confirme les soignants responsables auprès du ministère de la justice.