Dans le but de protéger l’environnement, le gouvernement tente depuis ces dernières années de faciliter l’accès des ménages au gaz. Qu’en est-il de la promotion des autres énergies ? Le spécialiste en énergie, Tahina Razafimandanona suggère d’abord l’étude des projets de loi sur les bioénergies. Selon lui, il faut impliquer plusieurs secteurs : économie, commerce, agriculture, environnement etc. Madagascar dispose de différents potentiels dans la production de biomasse à travers les déchets agricoles. Les tâches de facilitation d’acquisition de matériels ainsi qu’à l’appui des recherches reviennent à l’Etat mais chaque secteur peut mener une initiative et une campagne de sensibilisation. Les régions ont chacune leurs particularités selon l’expert donc on peut mixer différents types d’énergies renouvelables.
Ho fiarovana ny tontolo iainana, manamora ny fahazoan'ny tokantrano mampiasa ny entona fandrehitra ny fanjakana. Ahoana kosa ny amin'ny fampiroboroboana angovo hafa? Manolo-kevitra ny mpandalina manokana momba ny angovo, Razafimandanona Tahina, ny amin'ny fametrahana mazava ny lalà na momba ny « bioénergie ». Sehatra maro no mila mifandrimbona: fihariana, varotra, fambolena, tontolo iainana sns. Manana ny tombony i Madagasikara amin'ny famokarana « biogaz » amin'ny alà lan'ireo fako azo avy amin’ny fambolena sy fiompiana. Miankina amin'ny fanjakana ny fanamorana ny fahazoana fitaovana ary koa ny fanohanana ny fikarohana, fa ny sehatra tsirairay avy dia afaka mitarika hetsika sy fanentanana. Samy manana ny mampiavaka azy ny faritra araka ny filazany. Paikady tsara apetraka hoy izy ny fampiarahana karazana angovo azo havaozina isan-karazany.