Voasafidy ho mpanolo-tsaina ara-bola hoan’ny repoblika an’i Madagasikara ny kabinetra Rothschild & Co ny 10 novambra 2021 lasa teo. Haharitra 15 volana no hiara-dalana amin’ny repoblika malagasy io mpanolotsaina io. Hampihaona ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny ireo izay mety ho mpamatsy vola sy ny firenena mitady vola io kabinetra io, ary hampihena ny risiky ny fampiasana vola maloto eto Madagasikara. Matihanina sy manana traikefa maro eo amin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena  ny Rothschild & Co, hoy Ratobisaona Rado, antony nisafidianana azy hitantsoroka an’i Madagasikara eo amin’izay lafiny izay.
Le cabinet Rothschild & Co a été nommé conseiller financier de la république de Madagascar, le 11 novembre dernier. Il conseillera Madagascar durant les 15 prochains mois sur la stratégie financière à adopter et la quête de financement et partenariat pour le redressement économique de Madagascar. Rothschild & Co est un des meilleurs conseillers financiers du monde entier, raison pour laquelle, l’Etat Malgache a fait appel à cette structure, explique Rado Ratobisaona, économiste.