Ivon-toerana iray natao hanampy ny mpanao asa-tanana amin’ny fitadiavana lalam-barotra ny Cenam na ny Centre National de l’Artisanat Malagasy. Misy ny tsena izay hahafahanan’ny mpanao asa-tanana mampiranty ny vokatra ao an-toerana. Misy ny fepetra takiana hanatsarana ny kalitaon’ny entana haranty ao an-toerana mba tsy hanala baraka ny vita malagasy. Manome torohevitra sy fampiofanana izy ireo momba ny famoronana sy fanarahana lamaody. Isan’ny vokatra be mpitady sy betsaka lalam-barotra any ivelany ohatra ny poketra vita amin’ny « crochet », saingy vitsy ny mpamokatra izany raha oharina amin’ny filan’ny tsena, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera, Rebily Fanihy.
Le Centre National de l’Artisanat Malagasy ou le Cenam a pour mission de soutenir les artisans malgaches dans la recherche de marchés tant au niveau national qu’international. Un showroom pour présenter les échantillonnages est à la disposition des artisans. Un certain niveau de qualité est, par ailleurs, exigé pour donner une bonne image au Vita Malagasy. Le Cenam se charge également de conseiller ces artisans sur la création, à travers des formations se rapportant aux nouvelles tendances. Selon le responsable de communication auprès du Cenam, Rebily Fanihy la production ds sacs en crochet reste, pour l’heure,  insuffisante par rapport aux besoins du marché.