Mety hiteraka fahasembanana ho an’ny zaza ny tsy fanjarian-tsakafon’ny reny bevohoka sy ny zaza latsaky ny 5 taona. Ankoatry ny hoe fanomezana sakafo ara-pahasalamana ny zaza, dia ampiharina ihany koa ny atao hoe TSMAS na « Thérapie De Stimulation Pour Les Enfants Malnutri Et Aigu » hisorohana ny fahasembanana. Ny fikambanana « Humanité et Inclusion » no namolavola azy io, izay mifantoka amin’ny fampihetsena sy fanetsiketsehana ny vatan’ilay zaza. Tanjona ny hampiharana eny amin’ny Creni sy Crena eny anivon’ny hopitalim-panjakana manerana ny Nosy. Efa natomboka izany ho an’ny faritra Atsinanana, Diana sy Atsimo Andrefana,  araka ny fanazavan’i Anjan Andriamorasata, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny « Humanité et Inclusion ».
La malnutrition chez une femme enceinte et les enfants de moins de 5 ans peut être une source d’un handicap pour l’enfant. L’association « Humanité et Inclusion » a inventé une thérapie, le TSMAS ou « Thérapie de Stimulation Pour les Enfants Malnutri et Aigu » pour aider au développement moteur de l’enfant victime d’une malnutrition aigu. L’objectif est de mettre en place le TSMAS auprès du CRENI et CRENA au niveau des hôpitaux publics. Une phase de test a été déjà lancée dans les régions Atsinanana, Diana et Atsimo Andrefana, selon le Responsable de Communication de l’ « Humanité et Inclusion », Anjan Andriamorasata.