Nandritra ny fahatapahanjiro matetika, noho ny fahamaizana tao Andekaleka, misafidy ny hampiasa fitaovana mahaleotena amin’ny famokarana herinaratra toy ny angovo avy amin’ny masoandro sy groupe éléctrogène ireo mponina. Ao ny olontsotra, ao ny orinasa. Mila mitandrina amin’ny fampiasana azy ireny any antokantrano hoy ny ny teknisiana momba ny fiarovana amin’ny herinaratra, Ranarivelo Noa. Eo aloha ny fisafidianana ilay fitaovana, mba hanaraka ny fenitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Mila fantarina tsara hoy izy ny fitaovana ampiasaina ao antrano ary atao mifanaraka aminy ny tanjak’ilay famokarana herinaratra. Eo no ilana ny teknisiana manokana hanoro hevitra amin’izany, izay afaka manampy ihany koa amin’ny fametahana ireo fitaovana. Ankoatra izay, ilaina ny fananana « dispositif de protection » na fiarovana amin’ny fiovaovan’ny tosiky ny herinaratra. Mila arahana ireo fepetra ireo mba hisorohana ny fahamaizana.
Suite aux séries de délestage dues à l’incendie qui s’est produit à la centrale hydroélectrique d’Andekaleka, les usagers choisissent d'utiliser des générateurs d'électricité autonomes tels que l'énergie solaire photovoltaïques ou les groupes électrogènes. Cela va des entreprises jusqu’aux particuliers. Selon une technicienne en sécurité électrique, Noa Ranarivelo, les ménages doivent prendre des précautions pour éviter d’éventuels risques. On doit d’abord s’assurer que le générateur soit certifié et qu’il respecte les normes environnementales. La puissance du générateur doit se concorder avec les besoins des matériels utilisés à la maison. Cela requiert la consultation d’un technicien qui pourra configurer correctement l'équipement. Chaque foyer doit également disposer d’un dispositif de protection pour se protéger contre la surtension. Ces mesures sont à considérer pour prévenir les incendies.