« Neny o, inona no dikan’ny tiako ianao ? » ou  "Maman, ça veut dire quoi « je t'aime » ?" ». C’est un livre pour enfants écrit par Valisoa Ranaivoarilala, publié en décembre 2021. Ce livre explique aux enfants ce qu'est l'amour à travers des textes courts et des illustrations. Cette question lui a été posée par son fils, ce qui a amené l'auteure à y répondre à travers un livre. Les enfants ont besoin d'être valorisés, a-t-elle dit, et c'est dans la famille qu'ils peuvent apprendre et ressentir ce qu'est l'amour. Mais les parents ne savent pas toujours exprimer leurs sentiments ou trouver les mots justes. Lire le livre avec eux est une façon pour les parents de transmettre l'amour à leurs enfants.
« Neny o, inona no dikan’ny tiako ianao ? » boky ho an’ny ankizy nosoratan’i Ranaivoarilala Valisoa nivoaka ny volana desambra 2021. Boky manazava amin’ny ankizy ny atao hoe fitiavana amin’ny alalan’ny lahatsoratra fohy sy sary mandravaka azy. Fanontaniana napetraky ny zanany lahy taminy no nahatonga ny mpanoratra hamaly izany amin’ny alalan’ny boky. Mila omena lanja hoy izy ny ankizy ary eo anivon’ny fianakaviana no hahafahany mianatra sy mahatsapa izany atao hoe fitiavana izany. Matetika anefa sahirana ireo ray aman-dreny maneho sy manazava izany. Fomba iray azo entin’ny ray amandreny hampitana ny atao hoe fitiavana amin’ny zanany araka izany ny fiarahana mamaky boky amin’ny zanany hoy hatrany ny mpanoratra.