Contrairement à nos croyances, le design n’est pas seulement l’art de décorer, il est avant tout une science transdisciplinaire et un levier de développement pour de nombreux pays. Dominique Rasanjison, initiateur de l’évènement “Tana Design Week”, définit le design comme la science qui relie art, technique et marketing. Cette filière a contribué à la reconstruction de l’économie de l’Italie et du Japon après les Grandes Guerres. En 2018, La Chine et les États-Unis ont respectivement investi à hauteur de 5 milliards de dollar, contre 2 milliards 500 millions de dollar pour le Royaume-Uni dans l’art et le Design, selon une publication d’artprice. Le marché du design à Madagascar, en Afrique et en Océanie occupe 1% du marché mondial pour le moment.
Fanoitra iray ho an’ny fampandrosoana ny tefibika na design. Maro ireo firenena lehibe no mampiasa vola be aminy. Nanavotra ny toekaren’i Italia sy Japana ohatra izy io taorian’ny Ady Lehibe fahiny. Raha ny tefibika ara-javakanto fotsiny ohatra, nahatratra 5 miliara Dolara ny vola nampiasain’ny Sina sy Etazonia ho amin’izany, raha manodidina ny 2 miliara sy 500 tapitrisa Dolara kosa ho an’i Angletera, taherimarika nomen’ny artprice ny taona 2018. Mitana ny 1% ny tsenam-barotry ny tefibika maneran-tany i Madagasikara, Afrika sy Oseania hatreto. Antony namolavolana ny hetsika « Tana Design Week » ny hampiakarana ny tolotra sy ny tinady hoy ny mpikarakara, Dominique Rasanjison, ary hanokafana ny sain’ny tanora amin’io tontolo io. Aminy, mampivondrona ny famoronana arajavakanto, traikefa teknika sy fitadiavana lalambarotra ny tefibika na Design ary ilaina amin’ny sehatra maro. Efa manana sekoly natokana ho amin’izany i Madagasikara.