La délégation de l’Union Européenne à Madagascar s’est dotée du 3e plan d’action genre pour 5 ans. Toutes les actions de promotion de l’égalité homme-femme doivent tenir compte du programme établi par l’Union Européenne dans ce plan d’action. Selon Maria Eugenia GARCIA NOGUERA, responsable du volet Droits humains et genre, ce plan touche plusieurs domaines : la gouvernance, le développement rural et les droits humains en général. Concernant le genre, plusieurs paramètres font que l’égalité homme-femme ne soit pas totalement respectée à Madagascar. L’Union Européenne développe alors avec leurs partenaires, les OSC, des programmes s’articulant autour de différents axes forts. Récemment, il y a eu la constitution d’une coalition pour la défense des droits des femmes.
Â
Nanangana drafi-panetanana ho an’ny miralenta eto Madagasikara, maharitra 5 taona, ny delegasion’ny vondron’ny firenena eoropeana. Tsy maintsy manaraka ireo hevitra sy drafitra napetraka ao anatin’izay avokoa ireo fanentanana sy fampahafantarana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy izay atao. Araka ny fanazavana omen’i Maria Eugenia GARCIA NOGUERA, tompon’andraikitra misahana ny zon’olombelona sy ny miralenta ao amin’ity delegasiona ity dia mahakasika sehatra maro ilay drafi-panentanana : haitantana, fampandrosoana ifotony sy ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny. Mikasika ny miralenta manokana, maro ireo toe-javatra mahatonga ny tsy fanajana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Manoloana izay dia mahakasika lafin-javatra maro ny tetikasa kasain’ny vondrona eoropeana hatao miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny firaisamonim-pirenena araka ny fanazavana hatrany. Vao haingana izao no napetraka fiaraha-mitantana ny fiarovana ireo zon’ny vehivavy.