La direction régionale du commerce et de l’industrie Toamasina a dû brûler 100 tonnes de riz périmés issues du vary Tsinjo. L’économiste Ralalason Jarius distingue deux catégories de produits d’importation. La première ce sont les « produits rares » pour les besoins fondamentaux d’un pays comme le gasoil. La seconde ce sont les produits de première nécessité comme le riz. Il ne devrait pas être importé, pour éviter un tel problème. La mauvaise gestion du stockage a aussi aggravé la situation. Plusieurs cas de ce genre pourraient entraîner une répercussion sur l’économie du pays. La meilleure solution serait d’améliorer et motiver la production locale.
Ambina vary tsinjo teo amin’ny 100 taonina teo no voatery nandraisana fanapaha-kevitra ka nodorana tao Toamasina. Araka ny fanazavan’ny mpahay toe-karena Ralalason Jarius mifandraika amin’io tranga io dia tsy tokony ho entana afarana any ivelany mihitsy ny vary. Misy karazany roa mantsy ny fanafarana entana : ao ireo tsy maintsy ilàna fanafarana toy ny soli-tany. Ao ihany koa anefa ireo efa misy eto an-toerana ka tsy tokony hafarana intsony, toy ny vary. Mety hisy fiantraikany amin’ny toe-karen’ny firenena iray ny toe-javatra toy ireny raha mitohy satria miteraka faty antoka. Ny fanavaozana ny famokarana eto an-toerana no hany vahaolana mba tsy hanafarana any ivelany intsony.