Ces malades mentaux errants sont atteints de schizophrénie. Leurs familles les ont laissé tomber. Par ailleurs, s’il y a prise en charge, on peut tout à fait les guérir. Les services de psychiatrie des hôpitaux, que ce soit public ou privé, prennent en charge ces malades. Pour les hôpitaux publics de la capitale, il faut se rendre à l’hôpital Befelatanana, HOMI, Anjanamasina et à l’institut d’hygiène Analakely. Le centre hospitalier Imerintsiatosika pour les privés. Les hôpitaux psychiatriques existent dans tous les chefs-lieux de régions sauf pour Fianarantsoa. Selon les explications du Docteur Haja Manantena, psychiatre membre de l’association Psy’kôzy Madagascar, qui œuvre dans la santé mentale, la famille est le premier responsable de ces malades. Mais il existe des paramètres qui empêchent cette dernière de prendre ses responsabilités. L’hospitalisation n’est faite qu’en cas d’agitation. Pour interner un malade, il faut au moins préparer un budget de 400.000 ariary, soins et médicament tout compris.
Schizophrénie no aretin-tsaina mahazo ireny marary saina mirenireny eny andalam-be ireny. Navelan’ny fianakaviana amin’izao fotsiny izy ireny. Raha misy ny fikarakarana, azo sitranina tsara izy ireny. Ny sampana mpitsabo saina any amin’ny hopitaly, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, no mandray an-tanana azy. Ho an’ny hopitalim-panjakana eto an-drenivohitra izao dia misy ao Befelatanana, eny amin’ny HOMI ary Anjanamasina. Misy ihany koa ao amin’ny Institut d’hygiène sociale Analakely. Raha tsy miankina kosa dia any amin’ny ivontoeram-pitsaboana any Imerintsiatosika. Misy hopitaly mpitsabo saina avokoa any amin’ny renivohi-paritra afa-tsy ao Fianarantsoa. Araka ny fanazavan’ny Dokotera Haja Manantena, mpitsabo saina ao amin’ny fiakmabanana Psy’Kôzy Madagasikara, izay misehatra eo amin’ny fikarakarana ny aretin-tsaina, ny fianakaviana no tokony mandray an-tanana voalohany an’ireny marary ireny. Rehefa mihetsika ihany ilay aretina vao ho entina any amin’ny amin’ny hopitaly ny marary. Raha hampiditra hopitaly moa dia mila manomana vola eo amin’ny 4 hetsy ariary eo, efa ao anatin’izany ny fanafody sy ny fitsaboana.Â