« La musique au service de la nature », tel est l’intitulé du concert MAMAFY qui s’est tenu à Andohalo le 1er octobre dernier, pour célébrer la journée internationale de la musique. Mais quelle est la mission des artistes face aux problématiques de notre époque ? Selon Rolf Razafindrakoto, un des protagonistes du mouvement, il faut dénoncer le manque de civisme et la perte des valeurs ancestrales, en tant que musicien. Il appelle donc la jeunesse à se réveiller et à s’unir. Pour ce faire, il a mis en avant des associations œuvrant dans l’éducation, les droits humains et l’environnement. Ces dernières travaillent sans repris au niveau des écoles et dans la société. Ce sont les vrais héros du développement insiste Rolf. « Rano », « Tany », ou encore « Aza », figurent parmi les chansons militantes de Rolf pour la nature.
« Ny mozika miasa ho an’ny natiora », izay no lohateny nampitondraina ilay hetsika MAMAFY natao teo Andohalo, ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mozika ny 1 Oktobra lasa teo. Inona ary no adidin’ny mpanakanto manoloana ireo olana goavana misy ankehitriny ? Manazava i Razafindrakoto Rolf, mpandray anjara fototra amin’ny hetsika MAMAFY, fa maro ireo olana mitranga eo amin’ny fiaraha-monina amin’izao noho ny fahaverezan’ny soatoavina. Ny mozika hoy izy dia fitaovana enti-manentana ny olom-pirenena handray andraikitra sy hiray hina. Tohana ho an’ ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana ihany koa ny hetsika MAMAFY amin’ny fanomezana sehatra azy ireo. Ankoatra ny mozika, mitety sekoly ihany koa ireo mpisehatra manao fanentanana sy mampianatra maimaim-poana. Ho an’i Rolf manokana, maro no sangan’asa efa navoakany mahakasika ny fahasalamana sy ny tontolo iainana nanomboka tany amin’ny taona 1990, toy ny « Rano », « Tany » sy « Aza ».