Le “FIBA Region Youth Camp” de la NBA Afrique (National Basketball Association) s’est tenu au Palais des sports Mahamasina du 11 au 13 novembre 2022. Elle regroupe 45 basketteurs et 15 coachs venant de 19 pays Africains, incluant Madagascar pour assister à des formations et entrainements pendant ces trois jours. En parallèle, le programme d’entrainement et de match donne des aperçus pour évaluer ces jeunes joueurs de 15 à 17 ans. Qui pourront séduire les sélectionneurs pour les offrir l’opportunité d’aller et de progresser en niveau supérieur. Une bourse pour accéder à l’Académie de la NBA Afrique est parmi les options possibles ; et une fois là-bas, ce poigné de joueurs pourrait avoir la chance de se présenter à la Draft NBA. Le chemin est plus ou moins tracé si ces pépites africaines ont le potentiel et travaillent bien, comme l’explique Angelo Razafiarivony, directeur technique de la fédération malgache du basketball dans l’émission Question A.
Natao tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny “FIBA Region Youth Camp” ny Ligy Basketball amerikanina NBA Afrique nanomboka ny 11 hatramin’ny 13 novembre 2022. Mpilalao 45 sy mpanazatra 15 avy amin’ny firenena afrikanina 19, misy an’i Madagasikara, no nivondrona tamin’io fampiofanana sy fanazaran-tena nandritra ny telo andro io. Amin’ny alalan’ny fandaharam-potoanan’ny fanazaratena sy ny lalao ataon’ireo tanora mpanao basikety 15 hatramin’ny 17 taona ireo amin’izany no itsaran’ny mpitsongo mpilalao sy mety isafidianany mpilalao afaka omena irika hampivoarana azy kokoa hakany amin’ny sokajy ambony. Isan’ny tombony mety ho sahaza ny voafantina amin’izany ny vatsim-pianarana ho any amin’ny Akademian’ny NBA Afrika, dia ho afaka hifaninana ho any amin’ny DRAFT na fifantenanana idirana amin’ny NBA izy ireo avy eo. Efa saika voasoritra ny lalana miandry ireo kitana hoavin’ny basikety Afrikanina raha manana ny maha izy azy sy milofo, araka ny fanazavan’ny tale tekinika nasionalin’ny Federasiona Malagasy ny BasketBall : Razafiarivony Angelo, ao anatin’ny fandaharana Hono ho’a.