L’association « Sambatra Attitude Life » a participé dernièrement au concert MAMAFY, œuvrant pour la protection de l’environnement et la défense des droits humains. Composé d’une centaine de jeunes éparpillés à Antananarivo, Antsirabe et Fianarantsoa, elle rassemble de jeunes bénévoles engagés. Rakotondramanana Andriniaina alias Dadafara Zilibera, fondateur de « Sambatra Attitude Life », explique que leur mission tend à rendre leur dignité aux gens marginalisés ou rejetés par la société, afin qu’ils puissent contribuer à leur développement personnel et à celui de la société. Dadafara Zilibera parle souvent de « recyclage humain ». C’est alors que l’association coopère avec des écoles primaires afin d’y soutenir les élèves en difficulté. Une étape cruciale, dit-il, car l’école est la garantie d’une meilleure société.
Isan’ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika MAMAFY farany teo ny fikambanana « Sambatra Attitude Life ». Hetsika ho an’ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona. Tanora manan-talenta sy mpanabe an-jatony no mivondrona ao amin’ny fikambanana, izay miparitaka eto Antananarivo, Antsirabe sy Fianarantsoa. Manazava i Rakotondramanana Andriniaina (Dadafara Zilibera), mpamorona ny « Sambatra Attitude Life », fa mamerina ireo olona very zo sy nahiliky ny fiaraha-monina ahatoky tena sy hitrandraka ny tsara ao aminy no tanjon’ny fikambanana. Manampy ireo tanora hiatrika ny olana eo amin’ny fianarana sy ny fampanana’asa ihany koa izy ireo ka ny « développement personnel » no lalana iray ahatongavana amin’izany. Ohatra amin’izany ny fanampiana ireo mpianatra sahirana amin’ny sekoly ambaratonga voalohany.