Parmi les acteurs de la paix à Madagascar, l’ONG « Tokotany Iraisana » a sa façon de faire.
Conflits liés aux déplacements en interne, autour du secteur vanille ou du secteur minier, l’ONG entre en jeu pour faire la médiation, notamment au niveau communautaire. Le coordonnateur de programme au sein de « Tokotany Iraisana », Andriantompoinarivo Hery explique que le processus de résolution des conflits commence toujours par l’écoute et la concertation entre les parties concernées, durant laquelle l’ONG privilégie la parole aux jeunes et aux femmes. Ensuite il y a le rapprochement entre les communautés et les autorités locales. Et finalement l’acte de réconciliation par des rituels traditionnels tels le « Titiky » ou le « fato-drà  ». Andriantompoinarivo Hery donne l’exemple d’un village abandonné dans le sud de l’île après que ses habitants soient accusés d’être des voleurs de zébus. L’affaire a été résolue au après deux ans de processus de réconciliation entre villages voisins. « Tokotany Iraisana » renforce aussi les structures sociales et administratives sur les lieux du conflit pour y garantir la paix durable. Le 20 octobre est célébrée la journée internationale pour la résolution des conflits.
Iray amin’ireo rafitra mpamaha disadisa eto Madagasikara ny « Tokotany Iraisana ». Hatramin’ny taona 2020, nijoroany, maro ireo tranga efa novahany sy narahiny maso. Anisan’izany ireo disadisa manodidina ny fifindra-monina, ireo seha-pihariana toy ny lavanily ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay niteraka korontana ara-piaraha-monina. Manazava ny mpandrindra tetikasa ao amin’ny « Tokotany Iraisana », Andriantompoinarivo Hery fa miainga amin’ny sy fihainoana sy fakan-kevitra eny ifotony avokoa ny famahana disadisa. Omeny lanja manokana ny hevitry ny tanora sy ny vehivavy.  Mampifanatona ireo manam-pahefana sy ireo voakasiky ny disadisa izy ireo avy eo, ary mandravina izany amin’ny alalan’ny fomba nentin-drazana izay toavina ao amin’ilay toerana. Ohatra amin’izany ny « Titiky », na ny « fato-drà  ».
Ankilany, manamafy orina ireo rafi-piaraha-monina, ivondronan’ireo hery velona na antoko, sy ireo rafitra ara-panjakana misy ao amin’ilay toerana ihany koa ny « Tokotany Iraisana ». Tanjona ny hampitoetra ny fandriampahalemana maharitra. Ny 20 oktobra no ankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny famahana ny disadisa.