Les hémorragies ou l’infection après avortement constituent des risques mortels pour la femme. Le droit aux soins après avortement est un droit humain. Selon le responsable assurance et qualité au sein du PSI Madagascar, Docteur Lalatiana Rakotondrazaka, les soins après avortement sont composés de 5 éléments. Les soins de base comme la prise de médicament ou le recours à l’aspiration, la prévention de l’avortement à travers le planning familiale ainsi que le dépistage d’IST (Infection Sexuellement Transmissible), de VIH et de cancer du col, le soutien affectif et la relation avec la communauté pour éviter l’avortement. Le Docteur Lalatiana Rakotondrazaka précise que ces soins ne considèrent pas les antécédents de la femme concernée, que ce soit avortement ou autre chose. Elles bénéficient de ces soins parce que ce sont leur droit tout simplement. Les centres « Top réseau » procurent ces soins ainsi que les hôpitaux publics.
Ny fandehanan-drà be loatra na ny fiforonana nana arinan’ny fanalan-jaza dia mety hitarika fahafatesana ho an’ireo vehivavy. Anatin’ny zon’olombelona ny mahazo fikarakarana sy fitsaboana aorinan’ny fanalan-jaza. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra fiantohana sy kalitao ao amin’ny PSI Madagasikara, Dokotera Rakotondrazaka Lalatiana, misy karazany 5 ireo fikarakarana sy fitsaboana arinan’ny fanalan-jaza ireo. Ny fitsaboana mahazatra amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody na fitrohana, fisorohana izany amin’ny alalan’ny fanabeazana aizana sy ny fitiliana ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fanohanana ara-pihetseham-po ary ny fifandraisana amin’ny fiaraha-monina mba hisorohana izay fanalan-jaza izay. Manamarika ny Dokotera Rakotondrazaka Lalatiana fa tsy mijery ireo izay nataon’ilay vehivavy teo aloha, na fanalan-jaza na tsia, ny fahazoany ireo fikarakarana sy fitsaboana ireo. Mahazo izany izy satria zony izany. Eny amin’ny “Top réseau” sy eny amin’ny hopitalim-panjakana no hahitana izany fikarakarana sy fitsaboana izany.