Le choléra se manifeste par la diarrhée et des vomissements. C’est une maladie causée par le bacille Vibrio Cholerae, une bactérie contenue dans les selles d’un malade et qui se transmet avec l’eau sale. Suite aux passages des cyclones Cheneso et Freddy, l’OMS avertit Madagascar sur un risque d’épidémie. Pourquoi le risque est-il accru en cas d’inondations ? Réponse avec l’épidémiologiste Maherisoa RATSITORAHINA.
Ny choléra dia mahatonga olona iray hivalana sy handoa. Aretina vokatry ny bacille Vibrio Cholerae izy io, bakteria ao amin’ny dikin’ny marary iray izay mifindra amin’ny alalan’ny rano maloto. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso sy Freddy dia mampitandrina ny mety hisian’ny valan’aretina eto Madagasikara ny OMS. Fa maninona no atahorana kokoa izany rehefa misy tondra-drano ? Mamaly antsika ny manam-pahaizana mikasika ny valan’aretina, Maherisoa RATSITORAHINA.