Le programme TEDx est inspiré des conferences TED nées aux Etats-Unis. Il s’agit d’un espace consacré aux inventeurs, scientifiques, jeunes entrepreneurs et influenceurs qui ont des idées à partager. Antananarivo a accueilli son tout premier TEDx en avril 2009 sous l’initiative de Herinjaka Ratozamanana. Depuis, l’évènement s’est décliné en TED Youth et TED Woman également. Cette année, le défi c’est de créer TED Kids pour les enfants, de déplacer l’évènement dans les provinces et de donner le maximum de visibilité aux intervenants.
Ny hetsika TEDx dia niainga avy amin’ilay famelabelaran-kevitra lehibe TED niforona tany Etats-Unis. Izy io dia sehatra iray hahafahan’ireo mpamorona, siantifika, mpandraharaha sy manam-pahaizana samihafa, hizara ny hevitra ananany na famoronana vitany. Tamin’ny volana aprily 2009 no natao voalohany teto Madagasikara ny hetsika TEDx Antananarivo. 10 taona aty aoriana, mametraka fanamby vaovao ireo mpikarakara : hanome sehatra kokoa ny ankizy, hivoaka ivelan’Antananarivo ary hitrandraka ny teknolojia vaovao.