Mbola teo ampanasana lamba niaraka tamin’ny reniny teo antokontany i Kalozara no nandalo i Saotra niaraka tamin’ny fiarany nitady ny hiresaka taminy. Nentin’i Saotra teny amoron-dranomasina i Kalozara ary namborahany ny fitiavany. Tsy namaly nivantana i Kalozara, nefa maneho amin’ny fihetsika ihany fa manam-pitiavana an’i Saotra.
Kalozara était encore en train de faire la lessive avec sa mère lorsque Saotra est passé la chercher avec sa voiture. Ce dernier emmène Kalozara au bord de la mer et lui a déclaré sa flamme. Malgré ses attentes, elle ne lui répondit point mais ses gestes ont pourtant montré qu’elle a également des sentiments pour Saotra.